Psalms 61

Fangatahan’ ny mpanjaka efa nandositra, mba hampodin’ Andriamanitra indray

Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Nataon’ i Davida.

1

2Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako. 3Any am-paran’ ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin’ ny vatolampy izay avo ka tsy tratro; 4Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo. 5Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin’ ny fanomban’ ny elatrao aho, 6Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan’ izay matahotra ny anaranao. 7Halavao ny andron’ ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro. 8Aoka hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy; 9Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan’ andro ny voadiko.
Copyright information for Mg1865